Tsara ny hiran`ny Taniko, Eric Manana

Manimanina an'i Gasikara aho izany !!
[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Sunday, 08 November 2009 at 6:59 PM

IREO BOKY NAVOAKAN'I FREDY JAOFERA

IREO BOKY NAVOAKAN'I FREDY JAOFERA
Fantatrao ve fa nahavoaka boky efatra i Fredy JAOFERA tamin'iny taona lasa iny ? Efa ela dia ela tokoa no nanoratany fa izay izy vao nahavita boky. Tanteraka ihany ny nofinofiny mangina hatramin'izay. Andriamanitra tsy andrin'ny hafa, andriko ihany , hoy izy. Ny boky voalohany dia TENY ROA : tononkalom-pitiavana no mibahan-toerana ao amin'io boky io, na misy aza tononkalo mampalahelo vitsivitsy ao anatiny. Ny boky faharoa dia mitondra ny lohateny hoe : NOSY MAMIKO. Fredy JAOFERA dia poety mitolona ary tsy diso anjara tamin'ireny fihetsiketseham-bahoaka nahazo ny firenena ireny tamin'ny 1991. Tsy nangina ny poety fa nanan-kolazaina tokoa. Tononkalo momba ny firenena no taratrao amin'io boky io. Ny boky fahatelo indray dia hoe : NY RANOMASOKO. Araka izany dia tononkalo mampalahelo sy mampahory no mitobaka betsaka ao amin'ilay boky. Tononkalo tsy tian'izay tsy mba nahita fahoriana sy fijaliana fa ambaran'ireny olona ireny ho rediredin'adalan'ny mpanoratra fotsiny. Tsarovy anefa fa ny tononkalo tsara indrindra voasoratr'i Fredy JAOFERA dia voasoratra tao anatin'ny ranomaso tsy hay ambara sy tao anatin'ny adin-tsaina tsy hita lazaina fa mampisento. Farany, ny boky fahefatra dia ilay boky hoe : FIAINANA. Fiainana ny fahoriana, fiainana ny fijaliana, fiainana ny sedra, fiainana ny tsy fisiana, ary fiainana ny ranomaso fa saingy tsy atao mahakivy fa miezaka mandrakariva no vanon-ko olona ! .... Sa ahoana ?....Misaotra tompoko !
[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Sunday, 20 January 2008 at 8:25 PM

Edited on Tuesday, 04 March 2008 at 12:40 PM

Zanak'Iarivo::Ny voninavoko


[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Sunday, 08 November 2009 at 7:19 PM

Fredy JAOFERA tao amin'ny INALCO




Vahin'ny INALCO na ny Institut National des Langues et Civilisations Orientales ( 10, rue Riquet) i Fredy JAOFERA tamin'ny Alarobia 20 Febroary 2008 ka namelabelarany ny literatiora malagasy nanomboka tamin'i Fredy RAJAOFERA ka hatramin'i Fredy JAOFERA nahavoaka boky. Tompon'andraikitra, Mpampianatra, mpianatra sy havana aman-tsakaiza no nanatrika izany. Fahombiazana no azon'i Fredy JAOFERA tamin'io fotoana io.
Fredy JAOFERA tao amin'ny INALCO
[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Tuesday, 26 February 2008 at 7:09 AM

Edited on Tuesday, 26 February 2008 at 5:36 PM

TENY ROA

TENY ROA
[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Tuesday, 26 February 2008 at 6:08 PM

NOSY MAMIKO

NOSY MAMIKO
[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Tuesday, 26 February 2008 at 6:11 PM

NY RANOMASOKO

NY RANOMASOKO
[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Tuesday, 26 February 2008 at 6:14 PM

TSY NOFY INTSONY (Abel RATSIMBA)

[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Monday, 09 November 2009 at 6:31 PM

FIAINANA

FIAINANA
[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Tuesday, 26 February 2008 at 6:16 PM

AMBADIKA

Ambadiky ny andry
mateza aok'izany,
matetika niandry
sy reraka ihany.

Fredy JAOFERA
[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Tuesday, 26 February 2008 at 6:22 PM