FJ1

'Zao tontolo izao,
Tsisy dikany ho ahy
raha tsy eo anilanao
ny foko aman-panahy.

Fredy JAOFERA
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le jeudi 28 février 2008 08:59

ANTSIKA JIABY (Njakatiana)

Madagasikara antsika jiaby !...
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le dimanche 08 novembre 2009 19:14

FJ2

Tao anaty fahanginana
no nahitako fanambinana,
nahazoako valim-bavaka,
netinety sy mba niavaka.

Fredy JAOFERA
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le jeudi 28 février 2008 09:06

FJ3

Tsisy takona izay tsy hipoitra
na marina izay tsy hitranga ;
ka lozan'izay tsy nitsotra,
rediredin'izay be kinanga.

Fredy JAOFERA
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le jeudi 28 février 2008 09:22

IMPIRY IMPIRY (Ny Railovy)

[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le lundi 09 novembre 2009 19:36

FJ4

Matoa aho miravo,
te hifaly eny hatrany,
dia raketo fa manjavo
ny fiainako eto izany.

Fredy JAOFERA
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le jeudi 28 février 2008 15:10

RAOZIN'NY PARADISA (Johary)

[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le lundi 09 novembre 2009 20:18

TOULOUSE 2009

TOULOUSE 2009
Tao anatin'ny famaranana ny fankalazana ny Jobily faha-50 taonan'ny Fiangonana FPMA Toulouse dia voaasa tany Toulouse i Fredy JAOFERA sy Andamioly hanao SORATONONINA, Famelabelarana momba ny KABARY ary kabary am-panambadiana tamin'ny Asabotsy 3 Oktobra 2009. Fankasitrahana sy fahombiazana no azon'izy dahy.
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le mardi 06 octobre 2009 17:43

NY MARINA

Ny marina toy ny vato am-balam-parihy
raha tsy hitan'ny angady fahavaratra,
hitan'ny antsy raha lohataona ;
ka tsarovy fa na navolana anaty tsihy
tsy hipoipoitra na ho hita taratra,
aza hadinoina fa ho hita foana !

Fredy JAOFERA
NY MARINA
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le jeudi 28 février 2008 15:12

Modifié le mardi 04 mars 2008 13:18

FJ5

Aza fohazina eto intsony
ny tebiteby izay nahazo
sao ho faty ka tsy hamony
'lay niriko ho voninkazo.

Fredy JAOFERA
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le jeudi 28 février 2008 15:16